Revision 601677 of "一" on mgwiki

{{soratra Japonezy}}
'''一''' dia [[kanji]] ampiasain'ny fiteny japoney, ny fiteny koreanina ary ny fiteny sinoa. Voasokajy ao amin'ny tōyō [[kanji]] 当用漢字'' tōyō kanji'', [[kanji]] fampiasa) ity [[kanji]] ity.

Ny tōyō [[kanji]] dia [[kanji]] miasa indrindra amin'ny fiteny Japoney, ny isany dia misy 1850. Ianarana mandritry ny enin-taona ny ankapoben'ny kanji. Ny joyo [[kanji]] (kanji 1945) no nanolo ny toyo [[kanji]] tamin'ny 1981. Lasa tola noho izany ny toyo kanji.

Ity [[kanji]] ity koa dia ao amin'ny joyo kanji. Ny joyo [[kanji]] dia lisitry ny [[kanji]] nolazain'ny ministeran'ny fampianarana japoney tamin'ny 10 Oktobra 1981. Ao amin'ny joyo [[kanji]] dia misy 1945 [[kanji]] lazaina hoe ilaina isan'andro (rehefa mamaky teny na rehefa manoratra) tokony fantatry ny mpianatra Japoney rehefa mivoakan'ny fianarana secondaire. Ny 1006 [[kanji]] voalohany ianarany (ao amin'ny joyo kanji) dia tenenina hoe kyōiku kanji.

Rehefa betsaka ny fomba anononana ny [[kanji]] iray, tononina arakaraka ny toerana isiany anatin'ny fehezanteny ilay kanji. Rehefa ampiasaina eny ivelan'ny toerana isiany ny [[kanji]] iray ka raha betska ny fomba anononana azy, dia azo atoro amin'ny furigana ny fanononana azy ; ny soratra ampiasaina amin'ny furigana dia hiragana na katakana. 

Hisy reforman'ny joyo [[kanji]] amin'ny 2010

== Fiteny sinoa sy [[fiteny kantoney]] ==

Ampiasaina amin'ny fanoratana sinoa nentindrazana sy notsorina ity [[kanji]] ity. Ary ireo ny dikany amin'ny [[fiteny sinoa]] sy amin'ny fiteny kantoney

=== Mandarina ===

Ny fandikana [[pinyin]] ny romanizasiôna (fandikana amin'ny abidy latina) ampiasaina any Sina. Any Taiwan, ampiasaina ny fandikana bopomofo (ho an'ny boky fianarana sy ho an'ny finday tsotsotra) na zhuyin fuhao, manana abidy manokana. 

Ampiasaina ihany koa ny [[Wade-Giles]] ho an'ny anaran-toerana soratana amin'ny teny latina, ara-drafipeo nohon'ny [[pinyin]] ny fanoratana Wade-Giles.
 
Ny fandikana [[pinyin]] amin'ny teny [[latina]] dia lazaina hoe romanizasiona (romanisation). Ny romanizasiona ampiasaina any [[Sina]] dia ny romanizasiona Pinyin. Io romanizasiona io izao no tena ampiasaina rehefa miananatra ny [[fiteny sinoa]] ; any [[Taiwan]] indray, mbola ampiasaina ny Wade-giles tsindraindray, fa ny [[pinyin]] no tena be mpampiasa. Misy koa ny fandikana [[Bopomofo]] (ampiasaina any [[Taiwan]] indrindra, solon'ny pinyin, ampiasaina amin'ny fampianarana teny sinoa. Ny sandan'ity [[kanji]] ity amin'ny fandikana [[pinyin]] dia  yī (yi1), yí, yì
. . Ny Wade-Giles dia rômanizasiôna nampiasaina talohan'ny pinyin. Ny fanononana ity sinograma ity amin'ny romanizasiona Wade-Giles dia  i1, i2, i4
* [[Bopomofo]] : ㄧ,ㄧˊ,ㄧˋ
=== Kantoney ===
Amin'ny ankapobeny, ny [[fiteny kantoney]] dia teny tenenina fa tsy teny soratana. Ny [[fiteny kantoney]] tenenina dia samihafa amin'ny [[fiteny sinoa]] soratana ankehitriny, endrika soratana an'ny fiteny [[Mandarina]] tsotra. Ny feo avoakan'ny [[fiteny sinoa]] koa dia samihafa be sady lavitra amin'ny feo avoakan'ny fiteny kantoney. Amin'ny fotoana mandeha, nilaina no nahazo teny tenenina mirindra amin'ny fiteny soratana. Noho izany dia mampiasa sinograma manokana ho an'ny fiteny kantoney. Maro amin'ny sinograma Kantoney no tsy manana sanda mitovy amin'ny mandarina. Tsy azon'ny tsy mpiteny kantoney ny fiteny kantoney, na dia kantoney soratana aza, satria izy mampiasa fitsipi-pitenenana sy volana tsy mitovy amin'ny mpiteny mandarina. Ny fanononana ity sinograma ity amin'ny teny kantoney dia   yāt
Ny Penkyamp na Pinyin'i Guangzhou ([[Canton]]) dia romanizasiôna ampiasaina mba handika ny sinoa kantoney amin'ny abidy latina. Misy ezaka romanizasiôna ny kantoney natao mba hanome fitsipi-panoratana an'ilay teny : misy ny avy ao [[Guangzhou]], avy any Hong Kong, avy any [[Kuala Lumpur]] ([[Malezia]]) avy any Sydney, Auckland, Vancouver ary [[San Francisco]]. <br> Ny Fanononana Jyutping ho an'ity sinôgrama ity dia yät
* [[Jyutping]] : yat1

== Koreana ==

Ampiasain'ny fiteny koreanina koa ity [[kanji]] ity, azy [[hanja]] ([hanja]) no anarany amin'ny fiteny koreanina. Tsy ampiasaina intsony ny [[hanja]] any [[Korea avaratra]], fa mbola ampiasaina ihany any [[Korea Atsimo]] ho an'ny anaran-toerana sy anaran' olona. Matetika any Korea ampiasaina ny [[hangul]], moramora kokoa nohon'ny [[hanja]] sady mety tsara amin'ny fiteny koreanina. Ampiasaina koa ny [[hanja]] amin'ny haisoratra tsotra.

Voararan'i [[Yeonsan-gun]] ny fampianara hangul tamin'ny [[1504]] avy nanatsikera azy. Ary voarara avokoa ny lahatsoratra voasoratra amin'io abidy io. Ianaran'ny olona tsy [[manam-pahaizana]] (tsy afaka mandinika ny soratra sinoa) sy ny vehivavy ny hangul.

Evan'ny fitiavan-tanindrazana koreana ny fanoratana hangul, satria io fomba fanoratana io no mahasamihafa azy amin'ny japoney sy amin'ny sinoa ; ny dikan'ny ''hangeul'' amin'ny fiteny koreana dia ''fanoratan'i Korea'' amin'ny korea moderna. Tamin'ny Japana resy tamin'ny ady lehibe faharoa, io fomba fanoratana io no ianaran'ny vahoaka, na dia voazara roa aza ilay faritany. 

Tamin'ny [[2009]], ampiasain'ny [[fiteny cia-cia]] ny soratra hangul any [[Indonezia]].

Ny fanononana hangul ity [[kanji]] ity dia  일

Ny  fanononana eumhun (음훈; [[音]][[訓]]; avy amin'ny 音 « feo » + 訓 « dika », « fampianarana ») dia fanononana manampy ny mpianatra.

Ny fanononana Eumhun ity [[kanji]] ity dia  한 일

== Japoney ==

Ny famakiana [[fanononana on'yomi|on'yomi]] dia famakiana avy amin'ny fiteny sinoa. Miaraka ampiasaina amin'ny [[famakiana kun'yomi]] io famakiana io. Ny famakiana ''On'' dia ampiasaina ampiasaina amin'ny teny voalahatra.

Ny famakiana Kun'yomi dia famakiana avy amin'ny  [[fiteny japoney]] ''ara-tantara''. Alohan'ny nahatongavan'ny [[kanji]] tao Japana sy ny famakiana [[fanononana on'yomi|on'yomi]] miaraka aminy, io no nampiasaina tany [[Japana]]. Hevitra fa tsy feo no entiny, ny olana mety misy amin'ny famakiana [[fanononana kun'yomi|kun'yomi]] dia izy manana vaninteny lavalava nohon'ny famakiana ''on'yomi'' (manana vaninteny iray ny ankabeazan'ny [[kanji]] manana famakiana on'yomi)

on’yomi : イチ (ichi), イツ (itsu) <br>
kun’yomi : ひと- (hito-), ひと.つ (hito.tsu), かず* (kazu), い* (i), いっ* (i_), いる* (iru), かつ* (katsu), かづ* (kazu), てん* (ten), はじめ* (hajime), ひ* (hi), ひとつ* (hitotsu), まこと* (makoto)

== Jereo koa ==

=== Ny fampiasana ny [[kanji]] amin'ny isa ===
==== Isa amtetika ampiasaina ====

零 (〇), 一, 二, 三, 四, 五, 六, 七, 八, 九, 十, 百, 千, 万, 亿
==== Isa sinoa am-barotra ====

零, 壹, 贰, 叁, 肆, 伍, 陆, 柒, 捌, 玖, 拾, 佰, 仟, 万, 亿, 兆, 京, 垓, 秭, 穰, 溝, 澗, 正, 載, 極
==== Isa japoney ofisialy ====

零, 壱, 弐, 参, 肆, 伍, 陸, 漆, 捌, 玖, 拾, 佰, 仟, 萬, 億, 兆, 京, 垓


{{toyo kanji}} [[sokajy:kanji]][[sokajy:hanzi sinoa]][[sokajy:hanja koreana]]