Revision 601849 of "字" on mgwiki'''字''' dia kanji ampiasain'ny fiteny sinoa, ny fiteny koreanina, ary ny fiteny Japoney. Ao amin'ny teny Japoney, ity kanji ity dia voasokajy anaty sokajy kanji lazaina hoe ''toyo kanji'' na kanji fampiasa.
Ny toyo kanji dia sokajy isian'ny kanji fampiasa rehetra amin'ny teny Japoney, ny isan'ny kanji ao amin'ny toyo kanji dia misy 1850 any ho any. Fa ny toyo kanji ankehitriny dia tsy ampiasaina intsony fa ny joyo kanji indray izao no ampiasaina na ianarana any am-pianarana. Ny Joyo kanji dia reforman'ny toyo kanji. Ny lisitry ny kanji ao amin'ny Joyo kanji dia natao tamin'ny 1981, ny isany ankehitriny dia misy 1945 any ho any ; ao amin'ny joyo kanji ao dia misy ny kanji ampiasaina anatin'ny fiainana mandavanandro tsy nisy tao amin'ny toyo kanji.

== Sinoa ==
=== Mandarina ===
Ny fandikana [[pinyin]] dia romanizasiôna (fandikana amin'ny [[abidy latina]]) ammpiasaina any Sina. Any Taiwan, ampiasaina ny fandikana [[Bopomofo]] (ho an'ny boky fianarana teny sinoa indrindra indrindra na koa ampiasain'ny finday tsotsotra) na ''zhuyin fuhao'', ny bopomofo dia manana abidy ho azy manokana avy amin'ny fanononan'ny [[sinôgrama]] nenindrazana.
Ampiasaina ihany koa ny [[Wade-Giles]] ho an'ny anaran-toerana soratana amin'ny teny latina, ara-drafipeo kokoa nohon'ny Pinyin. Ny olana tena mipetraka amin'ireo fomba fandikana amin'ny abidy latina dia izy tsy manonno ny alôfôna (''allophone''), izany hoe, ny feo hafa mety avoakan'ny literan-janapeo iray ; satria, tahaka ny amin'ny teny anglisy, ny fiteny mandarina dia teny manana [[zanapeo]] maromaro, kanefa dimy monja ny [[zanapeo]] azo soratana. Noho izany dia mety samihafa ny feo avoakan'ny literan-janapeo iray anaty fehezanteny iray.
Ny fanononana [[pinyin]] an'ity [[sinôgrama]] ity dia zì (zi4); xùn (xun4)
* Wade-Giles : hsün4, tzu4
=== Kantoney ===
Amin'ny ankapobeny, ny [[fiteny kantoney]] dia teny tenenina fa tsy teny soratana. Ny [[fiteny kantoney]] tenenina dia samihafa amin'ny fiteny sinoa soratana ankehitriny, endrika soratana an'ny fiteny mandarina tsotra. Ny feo avoakan'ny fiteny sinoa koa dia samihafa be sady lavitra amin'ny feo avoakan'ny fiteny kantoney. Amin'ny fotoana mandeha, nilaina no nahazo teny tenenina mirindra amin'ny fiteny soratana. Noho izany dia mampiasa sinograma manokana ho an'ny fiteny kantoney. Maro amin'ny sinograma Kantoney no tsy manana sanda mitovy amin'ny mandarina. Tsy azon'ny tsy mpiteny kantoney ny fiteny kantoney, na dia kantoney soratana aza, satria izy mampiasa fitsipi-pitenenana sy volana tsy mitovy amin'ny mpiteny mandarina. Ny fanononana ity sinograma ity amin'ny teny kantoney dia ji6
== Koreana ==
* [[Hangul]] : 자
* [[eumhun]] : 글자 자
== Japonezy ==
on’yomi : じ (ji)

kun’yomi : あざ (aza), うむ (umu), ます (masu)
== Jereo koa ==
{{toyo kanji}} [[sokajy:kanji]][[sokajy:hanzi sinoa]][[sokajy:hanja koreana]]All content in the above text box is licensed under the Creative Commons Attribution-ShareAlike license Version 4 and was originally sourced from https://mg.wikipedia.org/w/index.php?oldid=601849.
![]() ![]() This site is not affiliated with or endorsed in any way by the Wikimedia Foundation or any of its affiliates. In fact, we fucking despise them.